Mandray an-tanana ireo ankizivavy sy ankizilahy iharan’ny herisetra ara-pilan’ny nofo ny ivon-toerana Vonjy. Ny “Centres Vonjy” dia manome azy ireo amin’ny toerana iray ny fandraisana an-tanana ara-tsaina (ataon’ny mpiasa sosialy), ara-pitsaboana (avy amin’ny dokotera ary araky ny lalana (avy amin’ny polisy).
Io no sampandraharaha voalohany mandray an-tanana feno ireo ankizy iharan’ny herisetra ara-nofo eto Madagasikara.
Iza no afaka manantona ny “Centre Vonjy”
Ankizy na tanora na olona iharan’ny herisetra ara-pilan’ny nofo ( fanolanana, fifoterana, fanararaotana ara-pilan’ny nofo, sns.)
Aiza no ahitana ireo “Centres Vonjy”
Ireo ivon-toerana Vonjy dia misy amin'ireto tanàna manaraka ireto:
Antananarivo, ao amin’ny CHUGOB (Hopitaly Befelatanana)
Toamasina, ao aminy CHU Analakininina (Hopitaly Be Toamasina)
Mahajanga, ao amin’ny CHU Androva (Hopitaly Androva PZaGa)
Nosy-Be (Hell ville) ao amin’ny CHRD II Nosy-Be (Hopitaly Be Andavakotoko)
Toliary, ao amin’ny CHU Antanambao (Hopitaly Be Toliary)
Taolagnaro, ao amin’ny CHU Tolagnaro (Hopitaly Be Faradofay)