A l’occasion de la célébration du Mois de l’Enfance 2020, le Ministère de la Population, de la Protection Sociale et de la Promotion de la Femme organise un concours de dessins et/ou de poèmes sur les droits et protection de l’enfance et/ou sur le patriotisme à l’intention des enfants de 5 à 17 ans révolus.
Vous pouvez lire ici-bas les modalités du concours.
FANKALAZANA NY
IRAY VOLANA HO AN‘NY ANKIZY
“Ankizy misitraka ny zony; antoky ny hoavy mamiratry ny Firenena”
Antony : Fifaninanana manao sary na tononkalo.
Ho fankalazana ny iray volan‘ny ankizy, Jona 2020, dia hisy fifaninana manao sary na tononkalo izay karakarain’ny Minisiteran’ny Mponina, ny Fiahiana ara-Tsosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy ka toy izao manaraka izao ny fepetra arahina amin’izany :
- Mpandray anjara :
Ankizy (lahy na vavy) 5 taona ka hatramin’ny 17 taona izay mizara sokajy roa :
- Sokajy voalohany : 5 taona ka hatramin’ ny 12 taona
- Sokajy faharoa : 13 taona ka hatramin’ny 17 taona
- Lohahevitra :
Misy lohahevitra roa ahafahan’ny ankizy hisafidy, na hanao sary izy na hanao tononkalo.
- Lohahevitra mikasika ny fiarovana ny ankizy;
- Lohahevitra mikasika ny fitiavan-tanindrazana sy ny olom-pirenena vanona.
- Ny sary na ny tononkalo sanganasan’ny ankizy mpifaninana dia atao ao anaty taratasy fotsy mirefy 21sm sy 29,7 sm (A4)
- Mahakasika ny sary :
Ny loko fototra ampiasaina dia ny loko fotsy, mena, maitso.
- Mahakasika ny tononkalo :
Ny tononkalo dia tsy tokony hihoatra ny andininy telo ary misy andalana efatra isan’andininy
- Tsy asiana marika hamantarana ny mpifaninana ny asasoratra na ny sary
- Atao ao anaty valopy lehibe A4 ny asasoratra na ny sary
- Atao anaty valopy kely mihidy ny anarana sy fanampin’anarana, ny daty nahaterahana, ny adiresy mazavan’ ny mpifaninana ary ny laharan’ny findain’ny ankizy na ny Ray aman-dReniny.
- Ireo valopy roa samy hafa ireo dia atao ao anaty valopy iray lehibe mihidy
- Ny sanganasa dia aterina eny amin’ ny sampandraharahan’ny Ministeran’ny Mponina, ny Fiahiana ara-tSosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy eny anivon’ny Distrika
- Fe-potoana fandraisana ny sanganasa :
- Ny fandraisana ny sanganasan’ireo ankizy dia eny anivon’ny Masoivohon’ny Ministeran’ny Mponina, ny Fiahiana ara-tSosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy any amin’ny Distrika manomboka ny zoma 5 jona ary mifara ny alatsinainy 15 jona 2020 amin’ny 3 ora tolakandro.
- Ny fandraisana ireo sanganasa rehetra avy any amin’ny Distrika dia atao eny anivon’ny Foibem-paritry ny Ministeran’ny Mponina, ny Fiahiana ara-tSosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy ny talata 16 hatramin’ny sabotsy 20 jona 2020 ;
Hisy Komity manokana, izay ahitana : ny Solontenan’ny Ankizy, ny Ministeran’ny Mponina, ny Fiahiana ara-tSosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy, ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolon-tsaina, , ny Solontenan’ny Fiaraha-monim-pirenena misahana ny Ankizy, ny Birao mahaleo-tena miady amin’ny Kolikoly (Mpanara-maso), hisahana ny fifantenana ny sanganasan’ny ankizy eny anivon’ny faritra ka ireo (16) enina amby folo mendrika (sary 04 isaky ny sokajin-taona ary tononkalo 04 isaky ny sokajin-taona) no hampiakarina any amin’ny Sekretaria Jeneralin’ny Ministeran’ny Mponina, ny Fiahiana ara-tSosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy, Ambohijatovo Antananarivo ;
- Ny fandraisana ny sanganasa voafantina avy any amin’ny Faritra dia hifarana ny alakamisy 24 jona 2020 amin’ny 12 ora antoandro.
- Ny fifantenana ny sanganasa 12 mendrika indrindra (tononkalo 3 sy sary 3 isaky ny sokajin-taona) dia hanomboka ny alakamisy 24 jona 2020 amin’ny 2ora tolakandro ka hatramin’ny asabotsy 27 jona amin’ny 3 ora tolakandro.
Hisy ihany koa Komity manokana apetraka izay ahitana : ny Solontenan’ny Ankizy, ny Ministeran’ny Mponina, ny Fiahiana ara-tSosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy, ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolon-tsaina, ny Akademia Malagasy, ny Solontenan’ny Vondron’ny Mpanao Tononkalo, ny Solontenan’ny Vondron’ny Mpanao Sary, ny Solontenan’ny Fiaraha-monim-pirenena misahana ny Ankizy, ary ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Ankizy (UNICEF), hisahana ny fifantenana ny sanganasan’ny ankizy avy any amin’ny Faritra. Ny Birao mahaleo-tena miady amin’ny Kolikoly (BIANCO) no hanao ny fanaraha-maso ny fifantentenana.
- Ny famoahana am-pahibemaso ireo sanganasa roa amby folo (12) mendrika indrindra dia ny talata 30 jona 2020 mandritra ny kabary famaranana ny Iray volana natokana ho an’ny Ankizy.
- Ny sanganasa rehetra voaray dia mijanona ho fananan’ny Ministeran’ny Mponina, ny Fiahiana ara-tSosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy ka azony ampiasaina amin’izay rehetra ilainy azy.
Antananarivo faha 03 jona 2020