Ho fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ankizy dia nihaona sy nitafa tamin’ireo ankizy Malagasy tao anatin’ny fandaharana
Demokr’ankizy 2021 ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA. Fandaharana izay niarahana natanteraka tamin’ny UNICEF Madagascar ary nahitana ireo ankizy avy amin’ny faritra rehetra manerana ny Nosy.
An-kafaliana no namalian’ny Filoham-pirenena ireo fanontaniana nanitikitika ireto ankizy Malagasy ireto izay niompana tamin’ny lohahevitra efatra dia ny fiarovana ny ankizy sy ny zony, ny fanabezana, ny fahasalamana ary ny tontolo iainana.
Tao anatin’ny fanomanana ny fandaharana dia nisy ihany koa ny fitsidihan’ireo ankizy izay nandray anjara tamin’izany, ny Lapam-panjakana Iavoloha izay toeram- piasan’ny Filoham-pirenena. Fotoana nahitan’ireto ankizy ireto maso sy nahalalany bebe kokoa ny mikasika ity toerana manantantara lehibe ity sy ny tontolony.
——————————–
Dans le cadre de la célébration de la Journée Mondiale de l’Enfance, le Président de la République Andry RAJOELINA a échangé avec les enfants Malagasy lors de l’émission Demokr’ankizy.
Une cinquantaine d’enfants issus de toutes les régions de Madagascar ont pu échanger et poser des questions au Chef de l’État concernant notamment les thèmes de la protection des enfants et de leurs droits, la santé, l’éducation et l’environnement.
Ces jeunes participants ont également eu l’occasion d’explorer le Palais d’État d’Iavoloha lors d’une visite guidée dirigée par le Président Andry RAJOELINA lui-même.
Source : FB Présidence