Mpandray anjara:
Ankizy (lahy na vavy) : 05 ka hatramin’ny 17 taona izay mizara ho sokajin-taona roa :
- Sokajy voalohany : 05 taona ka hatramin’ny 14 taona ;
- Sokajy faharoa : 15 taona ka hatramin’ny 17 taona ;
- Lohahevitra asongadina amin’ny fifaninanana:
“ Zo sy fiarovana ny ankizy ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana ”
- Ny sary sanganasan’ny mpifaninana dia atao ao anaty taratasy fotsy mirefy 21×29,7 sm (A4);
- Ny Slam na Kabary kosa dia raiketina ao anaty CD.
- Mahakasika ny Sary :
Ny loko fototra ampiasaina dia ny loko fotsy, mena, maitso miampy loko iray hafa izay safidian’ny mpifaninana.
- Mahakasika ny Kabary:
Ferana tsy mihoatra ny 15 minitra ny halavan’ny Kabary ary ny ranja-kabary dia tokony hilaza tanteraka ny zo sy fiarovana ny ankizy anatin’ny hamehana ara-pahasalamana.
- Mahakasika ny Slam :
Ferana tsy hihoatra ny 15 minitra.ny halavan’ny Slam.
- Ny sangan’asa dia tsy azo asiana marika famantarana ny mpifaninana.
- Ny sangan’asa sary dia atao ao anaty valopy lehibe A4 mihidy
- Ny sangan’asa Kabary na Slam voarakitra CD dia atao anaty valopy kely iray mihidy
- Atao anaty valopy kely mihidy ny anarana sy fanampin’anarana, ny daty nahaterahana, ny adiresy mazava ary ny laharan’ny findain’ny ankizy mpandray anjara na ny an’ny Ray aman-dReniny na ny an’ny mpiantoka.
- Ireo valopy roa samy hafa ireo dia atao ao anaty valopy iray lehibe kokoa mihidy, ka ny sary dia anaty valopy lehibe ary ny Kabary na Slam dia atao anaty valopy salantsalany.
- Ny sangan’asa dia aterina eny amin’ ny Masoivohon’ny Ministeran’ny Mponina ny Fiahiana ara-tSosialy ary ny Fampivoarana nyVehivavy eny anivon’ny Distrika.
- Ny ankizy iray dia misafidy ny iray amin’ireo taranja tiany hifaninanana, noho izany dia tsy afaka mandray anjara amin’ny taranja telo ny ankizy iray.
- Fe-potoana fandraisana ny sangan’asa :
Ny fandraisana ny sanganasan’ireo ankizy eny anivon’ny Masoivohon’ny Ministeran’ny Mponina, ny Fiahiana ara-tSosialy ary ny Fampivoarana nyVehivavy any amin’ny Distrika dia manomboka ny Asabotsy 05 jona ary mifarana ny Alatsinainy 14 jona 2021 amin’ny 4 ora tolakandro.
- Ny sanganasa rehetra voarain’ny sampan-draharahan’ny Ministeran’ny Mponina,ny Fiahiana ara-tSosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy eny anivon’ny Distrika dia alefa any amin’ny Foibem-paritry ny Ministeran’ny Mponina, ny Fiahiana ara-tSosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy ny Talata 15 jona 2021
- Ny fifantenana ireo telo mendrika isaky ny sangan’asa sy sokajin-taona eny anivon’ny Foibem-paritry ny Ministeran’ny Mponina, ny Fiahiana ara-tSosialyary ny Fampivoarana ny vehivavy ny Alatsinainy 21 sy Talata 22 Jona.
- Ireo telo mendrika isaky ny sangan’asa sy sokajin-taona voafidy teo anivon’ny Faritra dia alefa aty amin’ny Ministera Foibe ny Alarobia 23 Jona hatramin’ny Zoma 25 Jona.
- Ny fifantenana ny sangan’asa mendrika indrindra (Sary 3 sy Slam 3 ary Kabary 3 isaky nysokajin-taona avy) dia hatao eo anivon’ny Ministeran’ny Mponina, ny Fiahiana ara-tsoasialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy ny Alatsinainy 28 jona 2021 manomboka amin’ny 9 ora maraina sy Talata 29 Jona tontolo andro.
- Hisy Komity manokana, izay ahitana : ny Solontenan’ny Ankizy; ny solontenan’ny Ministeran’ny Mponina, ny Fiahiana ara-tSosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy; ny solontenan’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolon-tsaina; ny Solontenan’ny Fiaraha-monim-pirenena misahana ny Ankizy; ny Birao mahaleo-tena miady amin’ny Kolikoly BIANCO (Mpanara-maso) hisahana ny fifantenana ny sanganasan’ny ankizy eny anivon’ny faritra ka ireo sangan’asa telo mendrika isaky ny sokajin-taona no hampiakarina any anivon’ny Sekretaria Jeneralin’ny Ministeran’nyMponina, ny Fiahiana ara-tSosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy, Ambohijatovo Antananarivo.
Ny Komity Nasionaly no hanao ny fifantenana izay mendrika indrindra eo amin’ny sehatra nasionaly.
- Ny famoahana am-pahibemaso ny valin’ny fifaninanana dia ny alarobia 30 jona 2021 mandritra ny fotoana famaranana ny Iray volana natokana ho an’nyAnkizy.
- Ny sanganasa rehetra voaray dia mijanona ho fananan’ny Ministeran’ny Mponina, ny Fiahiana ara-tSosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy ka azony ampiasaina amin’izay rehetra ilainy azy.
SARY NA KABARY NA SLAM NATOKANA HO AN’NY ANKIZY